Mission Médico-Chirurgicale : Fitsaboana tsara kalitao manakaiky vahoaka
Faritra Atsimo Atsinanana, CHRR Farafangana Fahasalamana manatona vahoaka Fanolorana tolotra ara-pahasalamana marolafy ho an'ny vahoaka
Naneho indray ny firotsahany an-tsehatra sy ny fahaizany mihaino ny filàn’ny mponina mifototra amin'ny Politika ankapoben'ny Fanjakana “Fijerena ny Maha-Olona” izay napetrak’Andriamatoa Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka eo ambany fitarin'Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. Randriamanantany Zely Arivelo tamin'ny alalan'ny hetsika fanolorana fandindiana sy tolotra ara-pahasalamana marolafy sy tsara kalitao maimaimpoana.
Vahoaka an’arivony no nahazo tombontsoa ary naneho hafaliana sy fankasitrahana noho ny fanatrehana mivantana sy fitsinjovana ara-pahasalamana azon’izy ireo amin’ny fomba malalaka sy maimaim-poana tanteraka.
Tolorana fisaorana feno ireo rehetra mpisehatra ara-pahasalamana sy mpitsabo ary ireo mpiara-miasa rehetra izay niara-nanatontosa sy nanohana ity hetsika ity.
“Fahasalamana ho an’ny rehetra maimaimpoana, na aiza na aiza toerana misy azy” — no tanjona.
Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, anilanao hatrany
13-juil.-2025