FIANDRIANAM-PIRENENA ARA-PAHASALAMANA : FANAMAFISANA NY RAFITRA ARA-PAHASALAMANA ETO MADAGASIKARA
Tetik’asa Stratejika ABCM (Accessing and Building Capacities in Madagascar) sy IGS (Integrated Genomic Surveillance).
Eo ambany fitarihin’Andriamatoa Filoham-pirenena Andry RAJOELINA, dia miditra amin’ny dingana manamafy ny rafitra eo amin'ny sehatry ny Fahasalamana mankany amin’ny fahaleovan-tena isam-paritra ny sehatra ara-pahasalamana, maharitra ary manaraka ny fenitra.
Tafiditra ao anatin’izany ny firotsahana ataon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, izay tarihin’Andriamatoa Profesora RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo, mampihatra amim-pahavitrihana ireo tetikasa izay miompana amin'ny fijerena ny zava-misy marina miainga avy any ifotony na ireo filana izany, na ireo fandrindrana amin'ny ankapoben'ny fahasalamam-bahoaka hatramin'ny sehatr'asan'ireo mpanentana ara-pahasalamana (famatsiana fitaovana, fanamafisana ny fahaiza-manao ara-teknika sy fitantanana stratejika…)
Tanjona mazava : ny fahafahana mametraka ny vina iraisana ho an'ny fanatsarana maharitra ny fisoroana na ny fiatrehana ny loza mety mitatao ara-pahasalamana.
Rafitra ara-pahasalamana maharitra, manaraka ny fenitra iraisam-pirenena, ho an’ny olompirenena am-pahamendrehana sy fitovian-jo ary fahombiazana.
Ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka eo anilanao hatrany.
#MSANP
#BernardKochInstitute
#ABCM
#IGS
SCM/DIRCOM 17-juil.-2025