FIJERENA NY MAHA OLONA FARITRA SY DISTRIKA REHETRA MANERANA NY NOSY AMAN'ARIVONY NY ZAZA NISITRAKA HETSIKA FANAOVANA FORA-ZAZA FAOBE MAIMAIMPOANA
Manatanteraka ny Politika ankapoben'ny Fanjakana napetrak' Andriamatoa Filoham-pirenena Andry Rajoelina dia manamafy ny hetsika fanaovana fora-zaza faobe maimaimpoana manerana ny Faritra sy Distrika eto Madagasikara ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka, tarihin'Andriamatoa Ministry ny Fahasalamam-bahoaka Prof. Randriamanantany Zely Arivelo.
Tanjona amin’izany ny hanalefahana ny vesatra ateraky ny fandaniana ho an'ny fianakaviana marefo, ary indrindra ny fiarovana sy fanamasina ny fahasalamam-bahoaka.
Zaza efa mihoatra ny arivo (+1000) manerana ny Nosy no efa nisitraka izany tolotra maimaim-poana izany tamin’ity taona 2025 ity.
Mitohy ny hetsika any ifotony ary vonona mandray ny vahoaka am-pitiavana ireo rantsa-mangaikan'ny Ministera sy ireo Hopitalim-panjakana rehetra.
Ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka eo anilanao hatrany.
29-juil.-2025