hafa

SADC ANDIANY FAHA 45 : HERINANDRON'NY FAMPIROROBOROBOANA NY INDOSTRIA HO AN'NY SADC (SIW) 2025

Nosokafan’ny Filohan’ny Repoblikan'i Madagasikara no sady Filoha vaovaon'ny SADC, Andry Rajoelina, tamin'ny fomba ofisialy ny “Semaine de l’Industrialisation de la SADC 2025”, hetsika goavana entina hampiroboroboana ny fampandrosoana ny sehatra indostrialy eto amin'ny Firenena, sy hanamafisana ny anjara toeran’ny Firenena eo anivon’ny fiaraha-mientan’ny SADC. Izay mifanindran-dalana amin'ny Fihaonana an-tampon'ny SADC andiany Faha-45 ho tanterahina eto Antananarivo, Madagasikara.

Nandray anjara amin’ny dinika sy famelabelarana ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. Randriamanantany Zely Arivelo notronin'ireo Tompon'andraikitra ambony eo anivon'ny Minisitera, ho marikin'ny fiaraha-mientana amin'ny Fitondram-panjakana ho an’ny fampandrosoana ara-toekarena sy sosialy eto Madagasikara.

Ity hetsika ity dia eo ambany fiahian’ny Governemanta Malagasy miaraka amin’ny Sekretariàn’ny SADC ary ny Filankevi-pitantanan’ny raharaham-barotra ao amin’ny SADC.

 

Ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka eo anilanao hatrany.

29-juil.-2025

Zoom sur

Nos autres Activités