Fitondram-panjakana Mifantoka amin’ny Fampandrosoana sy Fiarovana ny Maha-Olona
Faritra Anôsy: CHRR Amboanato
Ny Fitondram-panjakana Malagasy dia mametraka ho voalohan-daharana ao anatin’ny politika an-kapobeny ny “Fijerena ny Maha-Olona”. Tsy an-kiato manatanteraka izany ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy amin'ny sehatra ara-pahasalamana maro.
Anisan’izany ny fandidiana fanarenana faobe ireo vehivavy tratry ny aretina Mamany Lava, natao hamelomana indray ny hasin’ny maha-olona sy famerenana anivon’ny fiarahamonina ireo vehivavy izay niharan’ny fanilikilihana ka zary nitafo henatra teny anivon’ny fiarahamonina.
Ravo sy velom-panantenana ireo vehivavy voatsabo, ary manohy miatrika fiainam-baovao feno fahatokisana.
Nisaotra manokana ny Fitondram-panjakana sy ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny mpiara-miombon’antoka rehetra ary ireo ekipa mpitsabo ny Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Anôsy.
Naneho ihany koa ny faniriany mba hiverinan’izao fanatonana izao amin’ny taona ho avy satria fampiroboroboana ny hasin’ny olom-pirenena ny toy izao.
Ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, eo anilanao hatrany.
#Minisiteran_ny_Fahasalamambahoaka
#UNFPA
#ASOS
#Opération_Fistula_Madagascar
SCM/DIRCOM 09-août-2025