Fijerena ny maha-olona

Fitondram-panjakana Mifantoka amin’ny Fampandrosoana sy Fiarovana ny Maha-Olona

Faritra Anôsy: CHRR Amboanato

Ny Fitondram-panjakana Malagasy dia mametraka ho voalohan-daharana ao anatin’ny politika an-kapobeny ny “Fijerena ny Maha-Olona”. Tsy an-kiato manatanteraka izany ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy amin'ny sehatra ara-pahasalamana maro.

 

Anisan’izany ny fandidiana fanarenana faobe ireo vehivavy tratry ny aretina Mamany Lava, natao hamelomana indray ny hasin’ny maha-olona sy famerenana anivon’ny fiarahamonina ireo vehivavy izay niharan’ny fanilikilihana ka zary nitafo henatra teny anivon’ny fiarahamonina.

 

Ravo sy velom-panantenana ireo vehivavy voatsabo, ary manohy miatrika fiainam-baovao feno fahatokisana.

 

Nisaotra manokana ny Fitondram-panjakana sy ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny mpiara-miombon’antoka rehetra ary ireo ekipa mpitsabo ny Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Anôsy.

 

Naneho ihany koa ny faniriany mba hiverinan’izao fanatonana izao amin’ny taona ho avy satria fampiroboroboana ny hasin’ny olom-pirenena ny toy izao.

 

Ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, eo anilanao hatrany.

 

#Minisiteran_ny_Fahasalamambahoaka

#UNFPA

#ASOS

#Opération_Fistula_Madagascar

SCM/DIRCOM 09-août-2025

Zoom sur

Nos autres Activités